Fenoarivo: Mpitondra moto maty voafaokan’ny fiara

Nandositra ny fiara sprinter nandona ka nahafaty mpitondra moto iray teny amin’ny digue mampitohy an’Ampitatafika sy Fenoarivo, omaly. Nitondra mpandeha avy any Fenoarivo ny taksibe iray, araka ny fampitam-baovao. Nipitika teny afovoan’ny arabe ilay mpitondra moto taorian’ny fifandonana. Naratra mafy ity farany ka voatery nentin’ireo nanatri-maso teny anivon’ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ain’io mpitondra moto io rehefa tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana. Tetsy ankilany, nifampitadiavan’ny fianakavian’ilay niharam-boina ilay fiara nandona. Tsy hita popoka io fiara io, araka ny loharanom-baovao voaray omaly hariva. Samy nandeha mafy ilay kodiaran-droa sy ilay fiara talohan’io loza io. Marihina, niseholany ny lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona tato anatin’ny herinandro. Vao ny talata lasa teo, olona iray namoy ny ainy teny amin’ny lalan’ny Tsarasaotra rehefa nitaingina moto. Nidona tamin’ny sarety nitatitra rano ny kodiaran-droa nentiny tamin’io fotoana io.

Tsiferana R.

Partager sur: