« Génération 2010 » : Namaky lay ny mozika an-tanàn-dehibe

THT, Agrad & Skaiz, Meizah, Tsota, Odyai, sns. Maromaro ireo hiran’ireto mpanakanto ireto no efa 15 taona sahady izay no nalaza. Haverina indray izany.

Misy ireo mbola anaty laza, ao kosa ireo vao hiverina indray. Teti­kasa iray anisan’ny be mpiandry amin’izao fotoana ny « Génération 2010 ». Araka ny anarany, natao hampivondronana ireo mpanakanto namaky lay ny mozika an-tanàn-dehibe teto izy ity, nalaza nanomboka ny taona 2010 ary nanara-dia ireo « Généra­tion 2000 ».
« Nametraka tamin’izao toerany izao ny mozika an-tanàn-dehibe izy ireo. Mpana­kanto samy manana ny maha izy azy, fa nanaiky hiara-dalana aminay amin’ity tetikasa ity. Maro tamin’ireo no vahinin’i Marion nandritra ny fankalazany ny 20 taona an-tsehatra, ka maro ireo mpankafy nangataka ny hamerenana izany », hoy i Sylvano Ra­tsimandresy, omaly, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa, tetsy Mahamasina.

Araka izany, seho telo aloha no efa fantatra fa hotontosaina. Ao amin’ny Food Courts Barea, ny zoma 27 mars amin’ny 8 ora alina sy ny sabotsy 28 marsa amin’ny 3 ora tolakandro. Hifadimby an-tsehatra mandritra ireo seho roa ireo ry Tsota, THT, Odyai, Kougar, Lain J, Agrad & Skaiz, Meizah, sns. Hanaraka azy ireo ry DJ Gouty sy DJ Dexta, anisan’ireo mpikosoka kapila nasongadin’ny taona 2010 nankaty ihany koa.
Ny tena seho goavana kosa dia hotontosaina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. « Io ny tena fanambarana ireo ngeza, kalazan’ny taona 2010. Hame­renana ireo hira rehetra nalaza tamin’izany ka mam­pane­mbona hatramin’izao. Amin’­­ity taona ity io », hoy hatrany ny fanazavana.

Zo ny Aina

Partager sur: