INDRAY MIJERY

Tonga tao amin’ny LTP Toamasina ireo solontena avy amin’ny BNGRC nanatitra fanampiana ho an’ny mpiasa rehetra eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Atsinanana eto Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. ‎Fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani izao. Nandray izany ny talem-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Atsinanana.

Ho famaliana ny fangatahan’ny vahoaka momba ny vahaolana hamahana ny fahasarotan’ny lalana mba hahafahana mamoaka ny vokatra, misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny faritra Vakinankaratra sy ny kaominina Mahaiza. Atao rarivato ny lalana mirefy 17 km ka hiasa hanatanteraka ny asa ny milina vaventy miaraka amin’ireo teknisianina avy eo anivon’ny faritra.

Mampahatsiahy ny ivontoeram-pampianarana rehetra sy ny mpiadina amin’ny bakalorea ny ofisin’ny bakalorea ao amin’ny oniversiten’Itasy. Mifarana ny 27 marsa ho avy izao ny fisoratana anarana ary tsy misy fahazoan-dalana manokana ho fihemorana. Ho fisorohana ny mety tsy fahatomombanana amin’ny fikarakarana ny fisoratana anarana, manentana ny rehetra hanantateraka izany amin’ity herinandro ity ny tomponandraikitra. Andro tsy fiasana ny zoma 20 marsa ka tsy mandray olona ny biraon’ny Ofisin’ny bakalorea ao Itasy, amin’io andro io.

Partager sur: