Muay Thai : Hizara traikefa ny Maître Gildas

Toy ny efa fanaony, tsy mi­tsahatra ny mampiroborobo ny taranja muay thai, ny Maître Razanajatovo Gildas. Hisy ny fiofanana Kru Muay Thai ho­meny ny 27, 28 ary 29 marsa izao, ao amin’ny Henri Fraise Ankorondrano. Tohin’ny fiofanana izay nataony tany Thaï­lande ka nahazoany ny mari-pahaizana « intsructeur international » no hizarany ny traikefany amin’ireo mpiangaly ity taranja ity eto Madagasikara, eo ihany koa ny maha Tale teknika nasionaly azy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Muay Thai.
Hizara ireo teknika tsara ho fantatra, ny fiomanana ara-batana ho an’ny mpikatroka, fampianarana sy fanazarana ary fampitana ireo tari-dalana eo amin’ny taranja muay thai. Ho feno tanteraka, araka izany, ny fandaharam-potoana mandritra io telo andro io. Tanjona ny hampiroboroboana sy ham­pandrosoana ity taranja ity eto Madagasikara. Tsiahi­vina fa miezaka mitady ny fomba rehetra hampiakarana izany lenta izany, ny Dtn Gil­das, na eo amin’ny lafiny fampiofanana izany na eo amin’ny lafiny fifaninanana. Eo ihany koa ny fanomezana fanazaran-tena ho an’ny mpikatroka. Miantso ny mpisehatra sy mpikatroka eo anivon’ny taranja Muay thai, araka izany, ny maître Razanajatovo Gildas ho tonga maro hanaraka ity fampiofanana homeny ity.

Mi.Raz

Partager sur: