Mikarakara fihaonana isam-paritra ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) amin’ny alalan’ny tambajotra Sega – One Health, ny 30 sy 31 marsa izao, ao amin’ny Institut Français de Maurice. Natokana ho an’ny fomba fiasa “Fahasalamana tokana” na One Health izy ity.
Hanasongadina ny fifampiankinan’ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana ny fihaonana. Hampivondrona solontenan’ireo firenena mpikambana, mpikaroka, andrim-pikarohana siantifika ary mpiara-miombon’antoka miasa amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.
Misy ny fandaharanasa fanofanana isam-paritra momba ny epidemolojia eny an-kianja, entin’ny tambajotra Sega-One Health, an’ny COI sy ity fiofanana haharitra roa taona ity. Efa natomboka tamin’ny 2024 izany ary tohanan’ny Mauritius Institute of Health eo amin’ny lafiny akademika.
Fotoana ahafahana mamerina sy mahafantatra ny Master Espoir ihany koa io. Natomboky ny Université des Mascareignes ity fiofanana ity ary efa mampiofana mpianatra 23 avy amin’ny faritra amin’ny sehatry ny fahasalamana niomerika sy tropikaly izy ireo.
Hampivondrona mpikaroka, manampahaizana ary andrimpanjakana ny fihaonana amin’ny alalan’ny fivoriana siantifika maromaro mifantoka amin’ireo olana lehibe momba ny fahasalamana anatin’ny faritra.
Tatiana A




