TARATRY ny KANTO

Eny amin’ny Doany Ambonga Ilaniara ny fanamarihana ny ivon’ny Alahamadibe 2026, anio. Toy ireo vohitra maro manerana an’Imerina, natomboka omaly tamin’ny fidiovana, ny arendrina ary ny afo tsy maty izany. Androany kosa ny « tatao », « tolotra hasina », « tsitsika sy joro », « tsodrano sy zara hasina » ary ny fitokanana ny lapa. Ny vondrona Tsy mamorona fa mamelo-maso no mikarakara azy ity.

Nahasarika olona maro teto an-dRenivohitra ny fizarana ny « afo tsy maty », narahin’ny arendrina, omaly. Toerana maro no niaingana, avy eo samy nihazo ny Kianjaben’i Mahamasina. Naresaka ny fety, izay nafanaina mpanakanto maro toy ny tarika Mahaleo, Mami Basta, sns. Hitohy anio ny fankalazana ny « Taombaovao Malagasy ».

« Pejy vaovao », hozarain’i Fanja Andriamantena etsy amin’ny Piment Café Behorirka, rahampitso 20 marsa amin’ny 8 ora sy sasany. Hitondrany ny endriky ny « Mozika tsotra izao » hatrany io, iarahany amin’ireo mpitendry niaraka taminy nandritra ny 12 taona. Anisan’ireo ry Njaka, Josia, Tsanta, Miantsa, Kaloina, Tantely, sns.

Partager sur: