TSELATRA

Mbola mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olona mety ho voakasika tamin’ny raharaha Ambohimalaza, nahafatesana olona manodidina ny 36. Hatramin’izao, olona efatra no notanana vonjimaika am-ponja. Anisan’izany ny tompom-pety sy ny reniny. Nahatratra 47 kosa ireo olona nametraka fitoriana eny anivon’ny fitsarana. Vavolombelona 30 no efa nohenoina.

Naiditra vonjimaika am-ponja any Avaradrano ny lehilahy telo, mpangalatra akoho miisa 250 tany amin’ny tsenan’i Talata Volonondry, afakomaly. Mody nibatabata entana teo amin’ny tsena ireo lehilahy ireo ary nohararaotiny nangalarina ireo akoho tanaty sobika. Nampandrenesina momba ny zava-nitranga ny zandary. Natao ny fikarohana , tratra tao anaty taxi-brousse hiakatra aty Antananarivo ireo akoho telo sobika lehibe. Naverina tamin’ny tompony ny akoho taorian’ny fanamarinana.

Lehilahy iray antsoina hoe Woislin, karohin’ny zandary fatratra amin’izao fotoana izao. Nanolana zaza 8 taona izy io, antony hanenjehana sy hikarohana azy. Entanina ny olom-pirenena izay mahafantatra sy mahita ny toerana misy azy mba hampandre ny zandarimaria akaiky azy.

Partager sur: