Vaomieran’ny Vondrona afrikanina : Nanolotra 200 000 dolara hanampiana ireo traboina

Mitohy ny tohana ataon’ny fikambanana na rafitra ho fanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany amin’ny faritra Atsinanana.

Nanolotra taratasim-bola mitentina 200 000 dolara, hanampiana ireo traboina niharan’ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC Andrainarivo. Nanamafy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Rabema­nantsoa Gabriel, fa “hotantanina amin’ny fomba mangarahara ary hipaka any amin’ireo olona tandrify azy ireo vola ireo. Havoaka amin’ny tatitra toy ny mahazatra ny asa rehetra nampiasana ny sorabola ».
Momba ny zava-misy any Toamasina, ao anatin’ny asa tanterahiny hatramin’izay ka hatramin’izao, manaja ny fenitra ara-pahasalamana amin’ireo sakafo zarainy ny BNGRC, satria vonjy aina no atao. Amin’izao fotoana izao, ao anatin’ny fivoaran’ny teknolojia, misy torohevitra tsotra sy haingana zaraina. Raha misy QR code ny fonon’ilay sakafo, atao « scan » amin’ny finday fotsiny izany ary mivoaka ny mombamomba ilay entana. Miseho eo ny daty nanamboarana azy, ny fiaviany sy ny singa nanamboarana azy ary ny daty farany azo ampiasana azy.
Nanome fanazavana mo­mba ny fanampiana ara-bola sy ny asa tanamaro ny tale iraisam-paritry ny Fid any Toamasina, Fidiniaina Mahe­fasoa Tokilalaina. Nambarany fa mifameno ny fanampiana ara-bola sy ny asa tanamaro. 20 andro no hanatanterahana ny asa tanamaro ka ho an’i Toamasina I, ahitana izany avokoa ny fokontany 138, mahatratra 150 olona isaky ny fokontany no manao ny asa ary homena sandany 140 000 Ar.

Vonjy

Partager sur: