Tsy nahitana korontana loatra ny famatsiana lasantsy SP95 teto Antananarivo, omaly. Araka ny efa nampahafantarin’ny OMH, tonga omaly ny sambo mitatitra solika avy any Oman, ary mandritra ny 2 andro eo ny fandaminana ny fitsinjarana. Tsy misy olana kosa ny famatsiana gazoala sy ny solitany fandrehitra. Inoana fa hitohy izany mba tsy hiteraka olana ho an’ny mpampiasa solika.
Hamboarina ny lalana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena RN3, mampitohy an’Antananarivo-Anjozorobe. Efa aman-taona maro no tsy nisy ny fikojakojana sy ny fanarenana ity lalana ity, ka tojo amin’ izao fahatsapan’ny fanjakana izao, fa tena laharam-pahamehana ny fanamboarana azy. Hizara efatra ny asa, hanaovana ny fanarenana, hatao mifanaraka amin’ ny tetibola eo am-pelantanan’ny minisitera.
Hasiam -panitsiana ny fifanarahana amin’ ireo orinasa tsy miankina, tsy nanaja ny bokin’andraikitra, mamatsy herinaratra ny Jirama. Fantatra izany, nandritra ny fihaonan’ny orinasa Jirama, notarihin’ny filohan’ny Filankevi-pitantanana, ny jeneraly Itibar Ottman, tamin’ireo orinasa tsy miankina mamokatra herinaratra mamatsy ity orinasam-panjakana ity. « Tsy hisy mihitsy fanarenana raha mbola bokan’ny trosa ny Jirama », hoy izy.




