Tontosa ny alakamisy sy omaly zoma, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja judo. Nahatratra 368 ny mpandray anjara, avy amin’ny ligy 8. Teo ihany koa ny Diaspora miisa 2. Ho fanomanana sy fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Cadets sy Juniors, hatao any Nairobi, ny 24 avrily izao ity fifaninanam-pirenena ity. Mikasa handefa atleta 8 sy mpanazatra 1 ny federasionina ary efa mitady mpanohana amin’
izao fotoana izao. Misy ihany koa ireo fifaninanana iraisam-pirenena hafa toy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Seniors sy ny Lalaon’ny tanora hatao any Dakar. Tsiahivina fa nisy ny fanolorana fankasitrahana ho an’ireo mpikatroka nahazo vokatra tsara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena (Afrika, Open continental, Regional, CJSOI) nandritra ity fifaninanam-pirenena ity. teo koa ny fanomezana grady. Mahakasika ny dojo nasionaly, efa misy ny fifanarahana eo amin’ny MJS, ny KBN ary ny FMJ, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Judo, Bruno Eric Said.
Mi.Raz




