Tsy voahaja ny lojika teo amin’ny andro faha-12 hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny Pureplay Football League (PFL). Resin’ny Uscafoot ny Disciples FC ho an’ny kaonferansy atsimo.
Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny vokatry ny andro faha-12 hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra Pureplay football league (PFL). Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianja Alarobia, omaly. Lavon’ny Uscafoot, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Disciples FC Vakinankaratra, izay mitarika vonjimaika, ho an’ny kaonferansy atsimo. Baolina tokana nampidirin’i Dina, teo amin’ny minitra faha-78.
Nahavita ny valinadiny ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Raha tsiahivina, efa resin’ny Disciples FC, ry zareo nandritra ny lalao mandroso natao tany Antsirabe.
Niady tanteraka ny lalaon’ny roa tonta, saingy tsy tao amin-dry zareo Disciples FC ny vintana tamin’ny famonoam-baolina. Maromaro ny baolina azon’izy ireo nanoloana ny tsato-by saingy tsy nety nikobana ny haraton’ny Uscafoot. Nahazo “penalty” ihany koa ny Disciples FC teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Tsy tafiditr’i Fabrice ny baolina ka nivaly tany amin-dry zareo. Tsy nampiova ny filaharana ankapoben’ny vondrona izany, mbola mitarika hatrany ny ekipan’ny faritra Vakinakaratra. Hampiantrano ny Antimo Record avy any Atsimo Andrefana ao amin’ny kianja Velodrome ity farany amin’ny sabotsy ho avy izao. Teo amin’ireo vokatra hafa, lavon’ny Elgeco Plus, tamin’ny isa 3 no ho 0 ny COSPN.
Tompondaka




