Amboaran’ny CAF : Ahina tsy hanana solontena i Madagasikara

Klioba roa amin’ireo efatra mbola anaty fifanintsanana “Yas Coupe de Madagasikara” no manana ny “Licence de club Caf”, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao iray. Ahina ho sarotra ny raharaha raha tsy tafita amin’ny famaranana ireo ekipa roa ireo.

Hotontosaina ny alarobia 22 jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, taranja baolina kitra, “Yas Coupe de Madagasikara 2026”. Hifandona amin’izany ny AS Ste Anne sy ny Wagner FC, andaniny ary ny FC Rouge, hifanandrina amin’ny Cosfa miaramila, ankilany. Miankina amin’ny vokatra, ahina tsy hanana solontena amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasionina afrikanina Caf ny Malagasy.
Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao, omaly, ekipa roa amin’ireo efatra tafita hiatrika ity manasa-dalan’ny am­boara nasionaly ity no manana ny “Licence de club Caf”. Hananosarotra ny raharaha raha toa ka ireo tsy manana izany no ho tafita eo amin’ny famaranana.
Marihina nefa fa hentitra ny Kaonfederasionina afrikanina baolina kitra (Caf) amin’io resaka io. Izay manana izany ihany no afaka mandray anjara amin’ny fifanintsanana afrikanina.

Miandry fanambarana
Hatramin’ny omaly nanoratanay anefa, tsy mbola nisy ny fanambarana ofisialy milaza ny anaran’ireo klioba efa nahazo an’io Licence de club io avy amin’ny Federasionina mitantana ny taranja baolina kitra eto an-toerana.
Raha ireo klioba tsy manana izany no tafakatra eo amin’ny dingana farany, mety ilay nahazo ny amboaran’ny “Yas Coupe 2025” farany teo no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana afrikanina ity. Raha ny fikarohana natao, ny 25 jolay ho avy izao no fe-potoana farany omen’ny Caf andefasana ny anaran’ireo klioba hisolo tena ny firenena tsirairay avy, amin’ny “Ligue des champions Caf” sy ny “Coupe de la confédération Caf.”

Fitia Randria

Partager sur: