Tontosa ny 6 hatramin’ny 11 jolay lasa teo, tany Cape Town, Afrika Atsimo, ny “Fide World Schools Team Championship 2026”, taranja échecs. Laharana faha-13 i Madagasikara.
Tsy diso anjara tamin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ho an’ny lalaontsaina échecs an-tsekoly, na “Fide World Schools Team Championship 2026”, natao tany Cape Town, Afrika Atsimo ny Malagasy. 4 mianadahy no nisolo tena an’i Madagasikara ka azo lazaina fa tsy nitsanga-menatra. Laharana faha-13 amin’ny mpandray anjara 26 no nisy ny ekipa malagasy, taorian’ny fihodinana 8. Ekipa mendrika sy efa kalaza eny anivon’ny sekoly sangany maneran-tany no nifanandrina tamin’izy ireo tamin’ity fifaninanana ity. Manaporofo ny fahaiza-manaon’ny mpilalao échecs malagasy ny vokatra ary mampiseho fa manana ny toerana eo amin’izao tontolo izao i Madagasikara, eo amin’ny taranja échecs. Nahitana ny WCM Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra, Randriamazava Mamihaja Jessy, Randriamazava Mbolamamy Jason ary Labokoson Tsikimiarisoa Éléonore ireo solontena. Nisy ny fifaninanana natao teto an-toerana ka izy ireo no voafantina hiaro ny voninahi-pirenena nandritra iny fifaninanana iny. Nidera ny ezaka vitan’ireto solontena malagasy ireto, izay avy amin’ny Lycée Privé Hibiscus, ny Federasionina malagasin’ny échecs. Teo koa ireo ray aman-dreny sy izay rehetra nanohana ka nahafahan’izy ireo nandray anjara tamin’ny fifaninanana.
Mi.Raz




