Fivoriana any Malawi : Nodinihin’ny Sadc ny olan’i Madagasikara

Nisokatra omaly, any Ma­la­wi, ny fivorian’ny komity ivondronan’ireo minisitra mi­vondro­na eo anivon’ny Sadc. Nivoitra tamin’izany fa manaraka akaiky ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ny Sadc. Ani­san’izany ny fanatanterahana ireo dingana hiverenana amin’ny ara-dalàna araka ny lalàmpanorenana. Notsindrin’ireo mpivory fa anisan’ny vahaolana ny fifampidinihana andraisan’ireo mpisehatra rehetra anjara mba hipetrahan’ny fitoniana maharitra. Nambaran’ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, Elias Magosi, fa ezahana hohamoraina ireo fifampidinihana ha­hafahana manatratra ny fe-potoana, nofaritan’ny tondrozotra. « Tanjona ny hisian’ny dinika fifampiraharahana sy fikaroham-bahaolana eo amin’ireo hery velona rehetra », hoy izy. Nampahatsiahy ireo ezaka vita sy ireo vina fohy ezaka sy antenantenany kosa ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Dyaie Alice. « Tafi­di­tra anatin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny Fanavaozana izany ary mifototra amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM. Eo koa ny fanavaozana ny rafitra ary ny fanatanterahana ireo dingana hanomanana ny fifidianana », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: