Vono olona tao Toamasina: efa-dahy voasambotry ny zandary

Voasambotry ny zandary miasa eo anivon’ny sampam-pikarohana misahana ny heloka bevava ao Toamasina, afakomaly, ireo efa-dahy namono olona tao Tsarahonenana. Nitrangana vonoan’olona tao amin’ny toeram-pisotroana iray anatin’io fokontany io, ny alahady 23 aogositra lasa teo, raha tsiahivina. Nifamaly tao anatin’ny toeram-pisotroana ny lehilahy maromaro izay voalaza fa samy te hampiasa ny «bluetooth». Tezitra ny tompon’ny toeram-pisotroana. Norohasiny nivoaka avokoa ireo vatan-dehilahy nifamaly, araka ny loharanom-baovao.   Nipetraka tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny savorovoro ny lehilahy iray sy ny rahalahiny.  Nodarodarohan’ireo lehilahy nisotrosotro, nivoaka avy ao anatin’ny toeram-pisotroana, izy roa lahy. Naratra mafy izy mirahalahy ka nentina notsaboina tao amin’ny hopitaly Manarapenitra. Tsy tana ny ain’ny iray tamin’izy ireo, ny talata 25 aogositra lasa teo. Nandositra avokoa ireo nahavanon-doza.  Niroso tamin’ny fikarohana ireto farany ny mpitandro filaminana. Herinandro taorian’ny vono olona, olona miisa efatra tra-tehaky ny zandary voasaringotra ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ilay tovolahy. Atao famotorana ireto farany ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: