Fanabeazana momba ny Alzheimer: niofana ho lasa mpampiofana ny zokiolona miisa 20

Miara-dia ny fikambanana Madagascar alzheimer Masoandro Mody sy ny Firaisamben’ny zokiolona eto Madagasikara (Fizoma).

Tanjona ny hampivelatra haingana ny fahafantaran’ny fiarahamonina ny momba ny alzheimer sy ny aretina toa azy. Nisy, noho izany, ny fiofanana ho an’ny mpampiofana natolotry ny fikambanana Madagascar alzheimer Masoandro Mody, tao amin’ny foibeny, nisitrahan’ny solontena Fizoma miisa 20. Nifantoka tamin’ny fitrangan’ny aretina sy ny hafatra fototra momba ny fambara 10 sy ny tranga mandrisika izany.
Taorian’ny fiofanana izay natolotry ny filoha mpanorina ny fikambanana, Rason-Andriamaro Yollande sy ny ekipany, afaka mampita ny hafatra fototra momba ny aretina eo anivon’ny fiarahamonina misy azy avy ireo solontenan’ny Fizoma, manomboka izao.
Nisaotra manokana ny Firaisamben’ny zokiolona ny fikambanana izay efa mpikambana ao amin’ny Mada­gascar Alzheimer Masoandro Mody ihany koa. Tena mahatsapa fa manana andraikitra hanampy amin’ny fampitana ny hafatra fototra manodidina izany aretina izany izy ireo.
Vinavinaina ho 160 000 ny isan’ny olona tratry ny aretina alzheimer na aretina toa azy amin’ny taona 2050. Efa miha mitombo ny isan’ny tanora kokoa (latsaky ny 50 taona) misy fambaran’ny aretina alzheimer maneran-tany.
Ho an’ny dinika tora-po andiany faharoa, ny sabotsy ho avy izao, hiresaka momba ny fahasalamana sy ny fanaintainana ho an’ireo olona mararin’ny alzheimer ny fikambanana. Olona dimy efa manana traikefa amin’ny fikarakarana marary miaraka amin’ny podologue no hi­tondra fanazavana momba izany.
Mikarakara fitiliana maimaimpoana ho an’ny rehetra maniry hisoroka ny tranga mandrisika ny aretina alzheimer ny fikambanana eny Mahazoarivo Fenomanana, ny sabotsy 19 septambra ho avy izao, tontolo andro.

Vonjy

Partager sur: