Andrianirina Fetison: « Natao hanarina ny anton’ny krizy ny fanavaozana »

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS), Andrianirina Fetison. Nambarany fa mendrika sy ankasitrahina ny nanaovan’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, tatitra mivantana amin’ny vahoaka momba ny asa vita, ny vokatra azo ary ny mbola tokony hatao. Tamberin’ andraikitra izany: mitantana, manatanteraka ary manao tatitra amin’ny vahoaka. Nan­teriny koa fa hita ny finiavana hanatsara ny fitantanana sy hametraka tsikelikely ny fitondrana tan-dalàna. Na izany aza, nambarany fa mbola be­tsaka ny asa miandry. « Tsy natao hamaha ny vokatry ny krizy fotsiny ny fanavaozana fa hanarina ireo antony fototra nahatonga azy », hoy izy. Anisan’izany ny tsy rariny, ny kolikoly, ny tsimatimanota ary ny tsy fihainoana ny tena filan’ny vahoaka. Nampihena ny fitokisany tamin’ny fitondrana izany, araka ny nambarany hatrany. Notsindriny fa ny fiainan’ny Malagasy sy ny fiverenan’ny fitokisany amin’ny fitondrana no tena handrefesana ny fahombiazan’ny fanavaozana.
Notsiahiviny fa tokony ho haintsika ny manaiky sy mankasitraka rehefa misy dingana tsara sahala amin’izao atao ho an’ny firenena. Nohitsiny fa tsy tokony hijanona amin’ny fanazavana ny vola nampiasaina sy ny asa vita ihany ny tamberin’andraikitra. « Zon’ny vahoaka koa ny mahafantatra, manara-maso ary mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra momba ny volam-bahoaka. Fototry ny fitantanana tsara izany, ao anatin’ny mangarahara, tompon’andraikitra ary azo arahi-maso », hoy izy. Tsy fananan’ny mpitondra, fa natao hanasoavana ny vahoaka ny volam-bahoaka, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: