Mirongatra izaitsizy amin’izao ny karazana fikambanana na vovonana politika hoe manohana ny fanorenana ifotony, fanavaozana, fanovana… Ny itsitokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny? Na samy te ho lohany… Misy aza ny mitompo teny fantatra fa izy no manana ny marina ny amin’izay mety sy mahasoa ary mampandroso ny firenena. Hatramin’izao, mbola izay hatrany aloha ny fomba fanaovana politika? Mifanala hazakazaka lava hampanjakana ny hevitry ny tena, fahalianana amin’ny fahazoana fahefam-panjakana…
Izany hatrany no anisan’ny mahatonga ny vava tsy ambin’ny sasany fa be tsy andraofana ny karazana antoko politika eto Madagasikara; eny, na izay vondrona na vovonana aza. Tsy foto-kevitra na ideolojia mazava amin’izay vinam-piarahamonina tian-kajoro no mampiray sy ampitoviana fomba fijery, fa mbola mianina sy mionona fotsiny amin’izay lazaina ho fandaminana ny firenena: fitadiavana marimaritra iraisana ho amin’ ny fiaraha-mitantana, fizarana toerana amin’ny fakana fahefana… Mandra-pahoviana? Na ny fiadiana sy fandehanana amina ideolojia politika ho amin’ny vinam-piarahamonina, fandaharanasa, fomba fiasa… Mba tsy hisy intsony ny vondrona na vovonana mitondra anaran’olon-tokana? Foto-kevitra na ideolojia no ijoroana, fa tsy fanarahana olona.
Amin’izay, mba ho latsaky ny folo ahay ny isan’ny vondrona na antoko politika, indrindra amin’ny fiatrehana fifidianana? Mba tsy ho be tsy andraofana, samy te ho lohany… Ideolojia politika amin’izay no hoenti-miady, hitsarana sy hifidianana kandidà amin’ny fifidianana. Fa tsy tsangan’olona ka misy ny hoe tsy miankina na mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana. Tsy ataon’ny mpanao politika sy ny antoko politika ihany ve no mahatonga azy ho be tsy andraofana?
R. Nd.





