Notontosaina omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ambaoran’i Madagasikara, taranja Rugby. Nihintsana am-boalohany ny FTM Manjakaray raha mbola manohy ny lalany kosa ny Cosfa.
“Vokatra tsy nampoizina ” ! Taorian’izay taona maro lasa izay, sambany indray vao raraka teo amin’ny ampahefa-dalan’ny amboaran’i Madagasikara, Top 8, taranja Rugby, izay natao omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny FTM Manjakaray, klioba fahefatra tamin’ny Top 12 farany teo. Lavon’ny TFMA Ankasina, tamin’ny isa 16 no ho 17, ry zareo ary tapitra hatreho izany ny fifaninanana ho an’ity klioba avy ao Manjakaray ity.
Raha hiverenana ny lalao, somary sahirana tamin’ity fihaonana ity, ny FTM raha toa ka nampiseho ny heriny am-boalohany, ny TFMA. Ny klioba avy ao Ankasina, nitarika 17 no ho 8, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Tao anatin’ny fidirana faharoa vao taitra tamin’ny torimasony ny mpilalaon’i Manjakaray. Efa tany amin’ny ora farany vao nahatsindry “essaie” ny FTM saingy tsy voatsara izany ka niafara tamin’ny isa, 17 no ho 16, ny lalao. Nandresy ny TFMA.
Manohy ny diany ny miaramila
Etsy ankilany kosa, mbola manohy sy miezaka mametraka maha sangany azy eto Madagasikara ny Cosfa miaramila. Nahintsan’izy ireo, tamin’ny isa, 28 no ho 22 ny CEA Andranomanalina. Niady ny fihaonan’ny roa tonta saingy manatombo amin’ny lafin’ny taktika sy ny traikefa ny ekipa an-dRazily, mpanazatra Cosfa. Ry zareo Cosfa moa no nitarika, 16 no ho 10 nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Tany amin’ny fidirana faharoa kosa, nampiseho ny fahaizany amin’ny “drops” i Bida, ka nampiakatra ny isa ho 28 ho an’ireo miaramila. Ankoatra izay, hifanena eo amin’ny manasa-dalana ny TFA Anatihazo sy ny Cosfa ary ny TFMA hifandona amin’ny Uscar.
Fitia Randria
Voka-dala omaly :
Uscar (20) – (13) TAM Anosibe
FTM Manjakaray (16) – (17) TFMA Ankasina
USA Ankadifotsy (20) – (21) TFA Anatihazo
CEA Andranomanalina (22)-(28) Cosfa





