Namoaka boky tantara foronina, mitondra ny lohateny hoe : “Tsy miolaka”, i Zara Ainga. Miisa 170 pejy ity boky ity, izay mifono sy mahalaza lafi-piainana maro. Naseho ampahibemaso ny 10 oktobra lasa teo ity sanganasa ity. Tovolahy iray zanaky ny taona 90 no tantaraina ao anatin’ny boky. Taraiky teo antenantenan’ny fianarana vitany, ny tanjona tsy misy tratra. Nanapa-kevitra ny handray an-tanana ny hoaviny ilay lehilahy, hamoy ny efa mahazatra ka hizotra amin’ny lalana mitondra azy amin’ny fanatanterahana ny tanjony sy ny nofinofiny, rehefa nandalo fiainana feno rendrarendra. Misy ifandraisany amin’ireo boky sasany efa nosoratan’i Zara Ainga ity asa soratra ity, saingy raha vao eo amin’ny takila faha-15 dia mahita ny Dokotera Ravelona, takila manaraka indray dia misy an’i Christophe Rabearimanana sy i Malay. Na izany aza, manana ny anjoriany azy manokana mihitsy ny tantara. Mpanoratra manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny literatiora ankehitriny i Zara Ainga. Manana ny mampiavaka azy sy ny angaliny. Folo taona izao no nilomano tao anatin’ny sehatry ny fanoratana izy ary efa betsaka ny mpanaraka azy.
Mi.Raz





