Mandeha indray ny fety aman-danonana, ho fankalazana ny fetin’ny Repoblika. Manan-tantara misimisy koa izany amin’ity indray mitoraka ity. Sambany rahateo no natao fanamarihana miezinezina. Mifanandrify amin’ny tsingerin-taona nandraisan-dry zalahy miaramila ny fitondrana rahateo ny fotoana. Roa sosona ny fankalazana. Efa nivolonandro fety tao an-drenivohitry ny Faritra Sofia nanomboka tamin’ny alahady. Nisomebiseby sy nientanentana hatraty an-dRenivohitra.
Mifanaretsaka ny vahiny sy ny tompon-tanàna. Vahoaka an’alinkisa no efa any an-toerana. Maro no tonga tsy hifety fotsiny fa hisehoseho, ho hitan’ny filohan’ny Fanavaozana. “Fisolelafakizasionina” ny an’ny sasany. Misy nanaovana teny midina tsy maintsy mandeha ho an’ny hafa. Maro koa anefa no nentanin’ny fitiavana hijery raha sy hifety. Raha fehezina, samy manana ny antony nahatongavany any an-toerana ny mpanatrika tsirairay. Ny hita aloha, maromaro no nandany vola hidinana any Anahidrano.
Tsy izany anefa aloha izao no lohalaharana. Asa mitarika vokatra no ilaina mba hananana ilay tena fahaleovantena. Ny 14 oktobra rahateo tsy fetin’ny fahaleovantena na ilay lazaina fa tena fahafahana. Manamarika fotsiny ny dingana vita sy ny fanaovana adisisika izany. Ny fankalazana androany dia tokony hidika ho fiaingana vaovao. Hanamarika fa izao vao tena hahaleo tena i Madagasikara. Mila fifohazan-tsaina sy fifohazam-panahy faobe.
Nanome toky sy namelona fanantenana rahateo ho an’ny Malagasy ny filazan-dry Kolonely dimy lahy tamin’ny taon-dasa. Nilaza izy ireo fa hamelo-maso ny herijika hahafahana mizaka tena tanteraka. Voakasik’izany ny fambolena, ny solika sy ny angovo. Tsy ambakan’ireo ny fanomezan-danja ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka. Hatreto, tsy hay ny hamaritana ny fomba hanaovana tombana. Tsy hay mandroso, tsy hay mihemotra.
r.r





