Rindrambaiko softappli : Mamaly ireo filana eto Madagasikara

Manampy ny orinasa hivelatra amin’ny niomerika ny Softwell amin’ny famokarana rindrambaiko mifanaraka amin’ ny filana. Nandritra ny hetsika Softevent teny Alarobia no nampahafantarana koa ny softAppli. “Natokana ho an’ny filana eto Madagasikara ny rindrambaiko novolavolaina niainga avy amin’ny traikefa nandritra ny 25 taona nijoroan’ny orinasa teto amintsika nefa manaraka ny fivoaran’ny tontolo niome­rika”, hoy ny mpanorina sady mpitantana ny orinasa, Andria­ma­nantsoa Mbolatiana.
140 ireo orinasa sy fikambanana na rafitra nanaraka ny fampahafantarana ny rindrambaiko vaovao teny an-toerana. Samy naka izay tandrify azy avy ny tsirairay. Misy ny mahasahana ny fifandraisana amin’ny mpanjifa, ny fitantanana ny mpiasa, ny fitantanam-bola, ny fitantanana ny antontan-kevitra ny rindrambaiko.
Nisy koa ny famelabelaran-kevitra sy fifanakalozana ary fizarana vahaolana niomerika ka nahatratra 700 ireo nandray anjara. Raha tarafina amin’ireo orinasa sy rafitra ary ireo tanora nanaraka ny fifampizarana rehetra, efa miroso amin’ny tontolo niomerika ny sehatrasa samihafa eto Madagasikara ka manampy azy ireo amin’izany ny softwell izay orinasa malagasy.

Vonjy

Partager sur: