Vita izay ny fety tany an-drenivohitr’i Sofia. Hanamarika ny andron’ny 17 oktobra nanaovana fianianana kosa rahampitso. Samy somebiseby ny olona akaiky ny mpitondra sy ny mpitolona. Iza tokoa no tsy hifaly, hanamarika tsingerin-taona nahazoana fahefana. Tena misongadina sy maro ny fiovana, indrindra ho an’ny sasantsasany. Na ireo tanora Gen Z aza, nipoipoitra indray nipy sy manao talaky maso ho tazan’ny raiamandreny lehibe.
Asa, misy ifandraisany amin’ny feo miely mahakasika ny fanovana governemanta izany? Samy mipoipoitra avokoa amin’izao fotoana izao na ny antoko, na fikambanana, na vovonana efa nipirina aman-taonany. Hihazakazahana koa ny vao ho foronina. Tena manao serasera matanjaka avokoa. Na ny tsy mikirakira tambajotran-tserasera aza, tena lohalaharana amin’ny ranty sy fanambarana. Tsy mahagaga moa fa samy amin’ny paikadiny io.
Mazava ny fitsipi-dalao amin’izao fotoana izao. Ny ao anatiny mitampikitra mafy, ny ety ivelany manao adisisika faran’izay henjana. Manomboka mifamingampingana tsikelikely eny ny samy mpiakama. Manala baraka ny zava-nitranga tany Antsohihy tamin’ny resaka tsangambato. Tsy hidirana lalina ireny fa ny fiantraikany tamin’ny fitondran’ny Fanavaozana no mahatonga saina. Mifamotika ve?
Kisary ratsy ho an’ny mpitondra ny vokatr’ireny tsy fitandremana ireny. Mampibaribary fa tsy miray saina ny ekipa, indrindra ny anatin’ny mpanatanteraka, tomponandraikitra. Mbola taratry ny fitiavan-tena sy tsy fiheverana ilay manontolo lehibe antsoina hoe “Fitondrana” izany. Ny hamehezana ireny dia hoditr’akondro an-kitsirano. Ny nalahelo toerana lasan’ny sasany hatrany am-boalohany, tsy mipetra-potsiny fa miandry kendritohina.
Tsy lazaina intsony ireo solofo dimbin’ny ala mba te haka ny anjara andraikiny. Maro izy ireny ny manampahaizana ka efa samy amin’ny kajikajiny avokoa. Tsy tokony hivaona anefa amin’ny paikady fa lasa mifamono an-toerana.
r.r





