Fiovana… tsy baranahiny 

 

Mahavariana rey olona ny fiainan’ny Malagasy sasany, indrindra ilay eto an-dRenivohitra. Vao misy fanatsa­rana kinasa, fanadiovana hatao dia andao hitokona sy handorondoro. Manao izay hihantsiana ny fahefam-panjakana tanteraka. Tsy te hivoatra sy tsy te hilamina ilay olom-pirenena. Aleony mihaingo ambony tsikoko, miaina ambony zaoridira. Mandry ambony savorovoro sy korontana.
Raha ny zava-misy eto Madagasikara aloha, tena sitrapo sy lahatra iriana ilay fahantrana. Tsy tia raha manjary ny mponina. Ny tena zava-doza, mankafy fitsetserana sy ny fanasokajiana azy ho kilasy faran’ny ambany. Tsy te hiala amin’ity hoe sahiran-dava ity. Mankafy fahantrana ny ankamaroan’ny mahantra. Tsy vonona ny hivoatra, hany ka mifikitra amin’ny misy azy. Tsy misy miiba hitondra miabo izany anefa.
Herintaona anio ny nanaovan’ny filohan’ny Fana­vaozana fianianana. Herintaona mba tokony hahitana taratra ny fiovana sy fanavaozana tena izy. Na misy aza ny ezaka ataon’ny mpitondra, manahirana ihany rehefa ny entina mihitsy no mitampikitra amin’ny misy azy. Mitaky fanovana toe-tsaina ny zava-drehetra
fa rehefa tsy izay dia aza manantena inona eto isika mianakavy. Tsy ny miaramila na ny governemanta no hanatsara ny aty vilany, raha toa ka mbola mandrin­drina ny varavaran’ny fahasoavany.
Mila finiavana ny fandrosoan’ny firenena sy ny fana­tsarana ny toe-piainana isan-tokantrano. Rehefa tsy resy lahatra ny ho amin’izany dia aza miandrandra fahagagana. Ny isam-batan’olona no tompon’antoka voalohany amin’ny fahombiazany. Rehefa mbola tsy vonona ny hanaraka lamina sy fitsipika anefa dia aleo aloha tsy manonofy. Hahantra mandrakizay ihany. Tsy ho afaka ambany ziogan-drafahantrana lalina mandrakizay.
Ny fanavaozana rahateo tsy afa-miaraka amin’ny baranahiny.

r.r

Partager sur: