Tranon’ny mpianatra : Mitaky fitovian-jo ny Tesomia sy Sava-U

Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpianatra Teraka Sofia mianatra ao Antsiranana (Tesomia) sy ny Sava-U mandranto fianarana ao amin’ny oniversiten’Antsiranana. Mitaky fitovian-jo eo fizarana ny trano fonenan’ny mpianatra ao amin’­io oniversite io izy ireo. Manana fikambanana 11 mivondrona ao anatin’ny fikambanana roa ireo mpianatra ary efa nihaona tamin’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, araka ny fanazavan’ny mpitondra teny. Nilaza ity tomponandraikitra ambony ity fa mifanaraka amin’ny isan’ny mpianatra misoratra anarana ny isan’ny trano omena nefa mahatsapa ny fikambanana fa tsy mitovy amin’izay ny zava-misy.
« Samy mpianatra ao amin’ny oniversiten’Antsiranana ka mitaky ny fitovian-jo sy ny fitoviana eo amin’ny fahazoana trano fonenana ho an’ny mpianatra rehetra », araka ny fanehoan-kevitra. Tsy hanaiky ny fanapahan-kevitra ary milaza fa tsy mbola azo hidirana ny trano raha tsy voavaha ny olana mifandraika amin’ny fizarana.
Miantso ny minisitera mpiahy sy ny mpitantana ny oniversiten’Antsiranana ny fikambanana hijery ny olana misy ankehitriny. Satria, tsy tokony hisy fanavakavahana fa samy mpianatra mendrika ny hitovy zo sy hahazo rariny.

Vonjy

Partager sur: