17 oktobra 2025-17 oktobra 2026, feno herintaona tamin’ny afakomaly ny fotoam-pianianan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël. Tsy nisy fankalazana ofisialy, tsy nisy fampahatsiahivana tamin’ny fitaovan-tserasera. Nangingina ny tanàna, tamin’ny ankapobeny. Raha ny fanadihadiana tsotsotra natao teny rehetra teny, tsy misy mahatadidy ilay daty. Tsy tsaroan’ny mponina sasany akory hoe efa lasa anie izany Rajoelina Andry izany.
Mahatonga saina ny zava-misy. Tena mora manadino ilay Malagasy. Ekena fa misy ny tsy mivakiloha politika, saingy vetivety loatra dia tsy tsaroana izay nifampilokalokana sy nifanomezan-toky. Tsy mahagaga raha matetika tsy miova mihitsy ny fanaovana politika, tsy misy etika hataon’ny sasany eto amin’ilay firenena. Ny vahoaka mihitsy no jambenan’ny fiainany angaha! Tsy mahatsapa fa misy marary mbola ilana fitsaboana ilay fiarahamonina.
Tsy hifanomezan-tsiny, na ifampitsaratsarana fahatany ilay toe-javamisy. Entina mampisaina fotsiny izay tokony horaisin’izay manandrify azy. Firenen-dramoramora rahateo no filaza an’ilay Madagasikara, tsy mahagaga raha tojo ilay renoky ny tory faobe. Tsy misy manaitaitra ny manampahefana fa manaraka ny onjany fotsiny eny. Toy ny voan’ny bemanaiky fahatany, izatsy izy. Tsy handairan’ny hirifiry sy tsy mihontsona amin’ny ngidim-piainana intsony.
Manoloana izany, tsy ny vahoaka tsimandadiharona no mila taitairina. Ny mpitondra no mila maka ny andraikiny. Tsy takona afenina toa tafika andrefan-tanàna ny fahoriam-bahoaka. Efa tafakatra 800 Ar indray ohatra ny kapoakam-bary sasany. Sao sodokan’ilay varoboba teo, tsy maharaka ny kajikajin’ny sasany. Ireny anefa no singam-bolo mandavo ny vositra. Avy eo ilay filoha fara-tampony indray no mahazo tsiny sy voahoso-potaka!
r.r





