Fanenjehana an-dRajoelina Andry: Mbola miandry ny didin’ny HCC ny eo anivon’ny Pac

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), omaly, manoloana ny fanenjehena ireo mpitondra ambony teo aloha. Nambaran’izy ireo fa tompon’ny teny farany momba izany ny HCC.

Efa nampitain’ny fampanoavana eo anivon’ny Pac any amin’ny HCC, ny 6 oktobra teo, ny atontan-taratasin’ady momba ireo nitana andraikitra teto amin’ny firenena ka voarohirohy amin’ny fanodinkodinana volam-panjakana, famotsiam-bola, fanaovana hosoka. Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ny Praiminisitra teo aloha sady mpisolo toerana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Ntsay Christian; ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany teo aloha, Ravokatra Fidinia­vo. Eo koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany teo aloha sady minisitry ny Fitsarana teo aloha ary depiote am-perinasa, Imbiky Herilaza. «Voa­rohirohy amin’ny resaka volamena 36 kg nogiazana ny taona 2019-2020 izy ireo», hoy ny eo anivon’ny Pac.

Minisitry ny Vola teo aloha…
Voarohirohy amin’ny tsenambaro-panjakana sy fanodinkodinana volam-panjakana koa ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry sy ny Praimi­nisitra teo aloha, Ntsay Christian, ary ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondrarimalala Ma­rie Michelle. Nalefa eny amin’ny HCC koa ny momba ny «Raharaha Fonds souverain», mahavoasaringotra ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry sy i Ntsay Christian ary ny minisitry ny Vola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Niainga amin’ny fandikan-dalàna ny taona 2022-2025 izany, araka ny tatitry ny Fitsarana ara-bola, ny marsa 2026. «Efa nisy didy teo aloha momba ny fanenjehana mpitondra ambony ka heverina fa azo hampiharina amin’ny toe-draharaha mitovy izany», hoy ny Pac. Nohamafisin’izy ireo fa misaraka amin’ny asa sy ny fanatanterahana ny asan’izy ireo ny heloka na fandikan-dalàna kolikoly sy ny mitovy aminy.

Synèse R.

Partager sur: