Hanomboka anio, any Azerbaidjan, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny na “Fifa U15 World Cup” sy ny “Festival 2026”. Anisan’ireo mandray anjara ny Barea. Hifandona voalohany amin’izy ireo, eo amin’ity andro voalohany ity, ry zareo Baku. Lalao roa avy hatrany ny alahady 25 oktobra ka hifanandrina amin’i Nouvelle-Zelande sy i Porto Rico. Toy izany koa ny alatsinainy. Hikatroka amin’i Venezuela sy Somalie ireo zandrikely. Raha ny fitsipiky ny lalao, tafita
amin’ny ampahefa-dalana ireo roa voalohany isam-bondrona. Taorian’ny fahatongavany any an-toerana, efa niatrika ny fanazarantena voalohany ny Barea. Vonona ry zandrikely ary manana faharisihana sy finiavana hiatrika ity lalao goavana ity. Tsiahivina fa miisa 189 ireo firenena miatrika ity “Fifa U15 World Cup” ity. mitotaly 945 ny isan’ny lalao hatrehin’ireo tanora. Tsiahivina fa baolina kitra ho an’olona 8 izy ity ary 20 mn indroa miditra ny faharetan’ny lalao iray.
Tompondaka





