Tao anatin’ny herinandro iray, mpianatra miisa 500 no nahazo fanentanana momba ny olana mahakasika ny herisetra an-tsekoly, tamin’ny alalan’ny hetsika notarihin’ny fikambanana “Stop harcèlement scolaire à Madagascar” (SHSM) tao amin’ny distrikan’Avaradrano sy Atsimondrano. Tanjona ny hampahafantatra bebe kokoa momba ity tranga ity sy hampirisihana fitondran-tena feno fanajana eo anivon’ny sekoly.
Nahazo ny loka voalohany nandritra ny andiany faha-12 amin’ny Fifaninanana adihevitra amin’ny teny frantsay (TIUD) eo amin’ny Oniversite ny oniversite Katolika eto Madagasikara (UCM). Rakotomavo Nalitiana Tahianjanahary sy Rajaonarivony Koloina Fanirisoa no nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity.
Notanterahina ny alakamisy teo, tany Ambovombe, Faritra Androy ny fitokanana mifandray amin’ny tetikasa fanamafisana ny rafitra famatsian-drano fisotro madio, amin’ny alalan’ny fanorenana ny fantsona mampitohy an’Andranogoa sy Ambovombe. Mponina manodidina ny 33 500, amin’ireo tanàna miisa 20 any Ambovombe, hisitraka rano fisotro madio.





