SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ao amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Badminton. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny loharanom-baovao iray, ligy roa ihany no nahatonga solontena tamin’ity dia ny avy eto Analamanga sy ny avy any Vakinankaratra.

Hotontosaina rahampitso ny andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa nasionaly. Raha ho an’ny solontenan’Analamanga, Disciples FC Espoir, hifanandrina amin’izy ireo, etsy Betongolo, ny ekipan’ny AS JM. Tanjon’ity klioba ity ny ho tompondakan’io diviziona io.

Hifantoka kely atsy Espagne indray ny sain’ny mpankafy baolina kitra, rahampitso. Hifanandrina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny «La Liga» ny FC Barcelone sy ny Real Madrid FC. Marihina fa ity fihaonana antsoina hoe: “Classico” ity dia tena ankafizin’ny maro. Mbola manala vela ny Real Madrid FC.

Partager sur: