Niverimberina ny fahatapahan’ny jiro, nanomboka ny herinandro lasa teo, teto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA). Fikojakojana fotodrafitrasa, fanoloana andrin-jiro, fahasimbana vokatry ny oram-be, olana ara-teknika, tsy fahampian’ny vokatra herinaratra no ambaran’ny Jirama fa fototry ny olana.
Ny sabotsy 24 oktobra, nanambara ny Jirama fa “misy fikorontanana ny tambajotra mpitsinjara herinaratra noho ny toetr’andro ratsy ka mahatonga fahatapatapahan-jiro matetika na maharitra amin’ny toerana sasantsasany”. Omaly, nitrangana fipoahana vata fanapahana herinaratra tao amin’ny sous-station Tana-Sud ary nisy fahamaizana “tête de câble” ihany koa ao amin’ny sous-station Tana-Ouest. Tapaka ny herinaratra tamina toerana maro tamin’ny faritra andrefana sy atsimon’Antananarivo.
Ny zoma 23 oktobra, nisy “olana ara-tekinika ny milina mpihary herinaratra ao amin’ny TAC 1 sy TAC 3 Jirama Ambohimanambola ka mahatonga ny fahabangan’ny vokatra tsinjaraina”. Ny alakamisy 22 oktobra ihany koa no efa nilazan’ny Jirama fa banga 25 MW ny famokarana noho ny “tsy fahatomombanana ny milina TAC1 ao Ambohimanambola, eo ihany koa ny fihiban’ny haavon’ny tohodranon’ Andekaleka”.
Fahatapahan-jiro mifandimby
Ny 21 oktobra : “niiba ny haavon’ny tohodranon’Andekaleka rehefa voatazona nandritra ny andro maromaro, taorian’ny hetsika fandatsahana orana, herinandro lasa izay”. Nisy fahabangana, izay tombanana ho 12 MW, araka izany, ny vokatra herinaratra. Voatery, noho izany, ny Jirama nampihatra ny “fahatapahan-jiro mifandimby” mandritra ny ora maha be ny filana herinaratra ary maharitra ora roa na mahery isaky ny fahatapahana izany.
Teo anelanelan’izay olana maro izay ihany koa dia mampahafantatra ny mpanjifany ny Jirama fa “noho ny antony ara-teknika, dia tsy afaka miasa vonjimaika ny tranonkala ofisialiny sy ny Agence en Ligne”. Ny sabotsy lasa teo vao niverina amin’ny laoniny ireo.
Sarotra ho an’ny mpanjifa ny hamantatra na olana ara-tekinika na delesitazy no mitranga. Toa lasa mahazatra ny maheno jiro tapaka. Saika isan’andro no tapaka ny jiro ary maharitra mihitsy ny fahatapahana.
Henintsoa





