Nambaran’ny filoha nasionalin’ny RDS, Andrianirina Fetison fa afaka miorina tsikelikely ny fitokisan’ny vahoaka rehefa miainga avy eny amin’ny faratampony ny ohatra tsara ka hampirisika azy hanaraka izany fiovana izany sy hanaja ny lalàna. «Arahin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany sy ampiharina tsy an-kanavaka ny lalàna», hoy izy.
Nolavin’ny HCC ny volavolan-dalàna, nolanian’ireo depiote. Tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany, araka ny nambaran’ireo mpitsara avo tetsy Ambohidahy. Efa nolanian’ny solombavambahoaka ny 24 septambra ny lalàna momba fampiasana azo antoka sy anaty fahalemana ny teknolijia nokleary saingy izao nolavina izao.
Nanentana ireo tangalamena avy amin’ny faritanin’i Fianarantsoa sy i Toliary ny minisitra misahana ny Fanavaozana, Razafimanantsoa Hanitra, ny sabotsy teo, tao Ihosy. «Aoka isika handray anjara amin’ny fikaonandoha, karakarain’ny FFKM, amin’ireo dingana isan’ambaratongany, sy hanamafisana ireo hevitra sy soso-kevitra», hoy izy.
Tokony hotanterahina ny 28 oktobra izao ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny depiote, raha ny fandaharam-potoana heno eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny herinandro teo. Fihaonana voalohany izany amin’ny fiovana misy eo amin’ireo depiote ka nitsanganan’ny VFM, raha Irmar sy mahaleo tena izy ireo teo aloha.





