“Festival des livres Thrillers”: Haharitra 5 andro ny andiany faha-5

Hotanterahina manomboka ny alarobia 28 oktobra izao, ny “Festival des livres Thrillers”, andiany faha-5. Ho feno ny fandaharam-potoana satria haharitra 5 andro ny hetsika izay hatao eny Alliance Française Antananarivo. Raha ny fandaharam-potoana, amin’io alarobia io no hanaovana ny fanokafana ofisialy ka hisy hetsika maromaro hitranga eny an-toerana. Hisy ny Slam manokana “Thriller”, ny alakamisy 29 oktobra, ho to­hin’ny fandaharam-potoana, izay hiarahana amin’ny Mada­ga­slam. Aorian’izay, mbola misy ny hetsika, toy ny latabatra boribory ny zoma 30 oktobra ka anisan’ny lohahevitra ny hoe “Ny tsiambaratelon’ny Thriller amin’ny onjam-peo”. Ny sabotsy 31 oktobra kosa ny famaranana ofisialy an’ ity “Festival des livres Thrillers” ity. Hisy ny teatra amin’io famaranana io, ka tantara mitondra ny lohateny “Faty mitsangana”, miaraka amin’ny Tarika “Iray Fy’Art”, izay efa niara-niasa ta­min’ny “Festival des livres Thriller” hatramin’izay. Tsy misy vidim-pidirana ny hetsika izay hanasan’ny mpikarakara ireo rehetra liana sy te hiaina anaty kolontsaina miavaka mba ho avy amin’ity hetsika goavana ity. Tsiahivina, ho fankalazana ny “Halloween” no anton’ny hetsika ary mitady izay zava-baovao hanatsarana izany hatrany ny mpikarakara, dia ny Alliance Française izany.

Mi.Raz

Partager sur: