Filaminana ara-pahasalamana : Nohavaozina ny drafitra nasionaly

Zava-dehibe ho an’i Ma­dagasikara ny fanamafisana ny fahaizana misoroka, ma­mantatra mialoha ary mamaly haingana ireo tranga ara-pahasalamana maika. Ilaina, araka izany, ny fanavaozana ireo paikady sy antontan-taratasy enti-miatrika ny karazana loza ara-pahasalamana ahina. Tanjona ny hampifanaraka izany amin’ny fiovaovan’ny tontolon’ny fahasalamana ma­neran-tany sy ny toe-draharaha eto Madagasikara.
Mitombo hatrany ny loza mitatao amin’ny fahasalamam-bahoaka, toy ny fihanaky ny areti-mifindra sy ny mety hisian’ny valan’aretina (Pesta, Kitrotro, Lefakozatra, Chi­kungunya, Mpox, Ebola…) ka ilaina ny manaraka ny fivoaran’ ny zava-misy sy mampifanaraka ny fisorohana tokony hatao.
Ny fanavaozana ny (Plan d’Action National Pour la Sé­curité Sanitaire de Madagas­car) PANSS dia mikendry ny hampifanaraka ny votoatiny amin’ny zava-misy ankehitriny, hanamafy ny fahavononan’ i Madagasikara manoloana ny vonjy taitra ara-pahasalamana. Hanatsara ny fandrindrana ny asa sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny olombelona, ny fahasalaman’ny biby ary ny tontolo iainana, araka ny fomba fiasa «Fahasalamana tokana» (One Health).
Ny fiaraha-mientan’ny he­ry rehetra dia singa iray iankinan’ny fanatsarana ny fahavononana sy ny fahaiza-miatrika ireo loza sy hamehana ara-pahasalamana, ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka.

Tatiana A

Partager sur: