“Mandrisika aho, misorata anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’ny fokontany misy ny tena. Araho sy hamarino tsara: tena ao tokoa ve ny anaran’ny tena” ? Io ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny nandraisany ny fehinkevitry ny fihaonamben’ny raiamandreny ara-drazana avy amin’ny Faritra folo mandrafitra ny Faritanin’i Toliara sy i Fianarantsoa, tany Ihosy, Ihorombe, afakomaly. Nodinihina tamin’izany ny tantara sy ny jeografia, ny fampandrosoana toekarena sy sosialy, ny raharaha politika. Tsy kely lalana ny ratsy eto Madagasikara… Ny ankamaroan’ny mpanao politika hirotsa-kofidina, tsy fifidianana madio no antenainy fa hala-bato. Raha tsy misoratra anarana ny tena, izay olona efa zatra misoratra anarana ihany no ao: izay olona tsy tian’ny vahoaka no lany eo, satria misoratra anarana ao… Ny dikan’izany, misoratana anarana dia mifidiana rehefa tonga izay.
“Ianareo vovonan-drazana sy raiamandreny ara-drazana amin’ny maha olobe, loharanom-pahendrena sy traikefa eo amin’ny firenena koa ianareo”, hoy izy. Mampihavana koa ianareo, mpanelanelana rehefa misy disadisa eo an-toerana. Mampita ny fomba amam-panao sy ny soatoavina nolovaina tamin’ireo razambe fahizay ianareo, mpitaiza ny tanora amin’ny fanajana ny andraikitra sy ny fifanajana, mampahatsiahy koa. Ny fihavanana sy ny firaisankina no anisan’ny harena lehibe indrindra ananan’ny Malagasy sady mampiavaka azy. Lohahevitry ny fihaonambne ny hoe: “Ny rindran-dalamina sy ny soatoavina nentim-paharazana malagasy ho fototra iorenan’ny firaisankina sy ny fifanajana ary ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara”. Miezaka mijoro amin’ny lohahevitra lehibe hoe soa ny filongoa ny governemanta amin’ny fitantanana fanjakana.
R. Nd.





