« Star Tour Toamasina »: 3 andro niainana ny « Oktoberfest »

Mpifety 22 000 isa no vory, raha ny tomban’ny mpikarakara. Fampisehoana, lalao, fialamboly, fanentanana ary fiaraha-mientana no nifandimby tao anatin’ny 3 andro. Faran’ny herinandro tena nahoraka iny ho an’i Toamasina.

Tsy nisy ny hetsika tamin’ny taon-dasa, noho ny toe-draharaha teto amin’ ny firenena. Niverina tamin’ny tanjany ary nihoatra ny laza­ny kosa ny « Star Tour » sady na­namarihana ny «Oktoberfest» teto Toamasina, ny faran’ny he­rinandro teo. Nivadika ho kianja nasiana ny sehatra lehibe ny «Esplanade Tamatave 501», ka ny seranana sy ireo sambo lehibe no ravaka tao an-damosiny. Sehatra izay nosokafana tamin’ny fanentanana sy lalao samihafa, nohafanain’i Teg, Bahrone sy Legar ary ireo mpikosoka kapila efa mpanaraka ny hetsika : Three T, Gova, Dj Natoo, Dj Landry.
Nanokatra ny andiam-pampisehoana, ny sabotsy, i Dalvis. Avy hatrany dia nafana, satria tsy vaovao amin’ny mponin’i Toamasina izy. Teto amin’ity toerana ity rahateo no nanaovana ny rakitsarin’ny «Izy sa za ?», nampalaza an’i Dalvis, 15 taona lasa izay. Nandimby sehatra efa nafana i Stéphanie sy ny ekipany, izay nandrasan’ny mpankafy koa tamin’ity hetsika ity. Note­teziny avokoa ireo hirany be mpankafy rehetra, ka nalai-ni­saraka ny rehetra. Soa fa no­tohizana tamin’ny fampandihizana nandra-naraina izany.
Ny alahady, i Anatal no na­nokatra ny seho. Nangatsia­tsiaka tsy toy ny omaly, na izy teny an-tsehatra na ireo mpijery. Mety ho antony lehibe ilay fanaovana « playback » tsy mba nafenina akory. Na veloma aza tsy vitany, taorian’ny 20 minitra niakarany ny sehatra izay toa tsy mbola sahaza azy…
Soa fa navotan’i Tsota izany. Na samy mozika an-tanàn-dehibe aza, ny an’ito farany sady nisy mpitendry, mpanao feo lafika nanampy ny DJ. Ny hirany rahateo be mpankafy, izay nilahatra tamin’ireo an’i Agrad. Namarana ary nitazona ny hafanana ha­tramin’ny farany i Agrad, izay tsy azo iadian-kevitra fa anisan’ ireo manana ny toerany amin’ny rap gasy amin’izao fotoana.
Toerana hafa, revy hafa ihany koa ny tao amin’ny «Espace pression» Arena. Nanomboka ny zoma dia efa nivadika ho toeram-pialambolin’ireo mpinamana izany. Tratra ny tanjona ho an’ny ekipan’ny Star, izay nikarakara. Iny koa no nanakatona ny « Star Tour » 2026.

Zo ny Aina

Partager sur: