Namoaka ny ady amin’ny kolikoly amin’ireo firenena maneran-tany ny eo anivon’ny Transparency International, ny herinandro teo. Nihemotra ny laharan’i Madagasikara, ho an’ny taona 2025.
Navoakan’ity fikambanana iraisam-pirenena ity fa nisy fihemorana ny momba ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara araka ny mari-pandrefesana izany na ilay antsoina hoe IPC tamin’ny taona lasa. Niainga avy amin’ny tatitra ofisialy navoakan’ny Transparency International izany. Nahazo ny naoty 25/100 i Madagasikara, tamin’izany ary mametraka azy eo amin’ny laharana faha-148 tamin’ireo firenena miisa 182 nanaovana fanadihadiana maneran-tany.
Tamin’ny taona 2018 no mitovy amin’io naoty io no azon’i Madagasikara. Nahazoana ny laharana 152 tamin’ireo firenena 180 isa. Tsy nisy fiovana firy izany ny naotintsika na samy miezaka ny hanafoana izany kolikoly izany aza ireo rafitra natao hiady amin’izany, miaraka amin’ireo mpitondra nifandimby.
Anisan’ny anton’izany ny fahalemen’ny rafitra miady amin’ny kolikoly. Eo koa ny ahiahy momba ny fangejan’ny fanjakana ho tombontsoan’olontsotra na ny antsoina hoe «Capture d’etat». Manampy ireo ny fahelana na fahataran’ny taratasim-panjakana karakarain’ny olom-pirenena izany ka anisan’ny mahatonga ny kolikoly amin’ny sehatra samihafa.
Nihemotra ny fanjakana tan-dalàna
Etsy andaniny, nihemotra tahaka izany koa i Madagasikara eo amin’ny fanjakana tan-dalàna ho an’i Madagasikara, araka ny tatitry ny «Word Justice Project – WJP». Laharana faha-111 amin’ireo firenena 143 isika, ho an’ny taona 2026. Niaiky koa anefa ity rafitra iray ity fa nidina tahaka izany avokoa ny fanjakana maromaro raha mitaha tamin’ny taona lasa momba ny fanjakana tan-dalàna. Nihemotra tahaka izany koa ny fahalalahana maneho hevitra, araka ny tatitry ny WJP hatrany.
Synèse R.





