« Tsy maintsy miainga avy aty ambony ny fanavaozana. Manaraka ho azy ny eny ifotony avy eo », hoy ny ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison. Anisan’ny naneho ny heviny momba ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanovana ny fomba fitantanana ny raharaham-panjakana ny tenany. Nambarany fa tsy ampy ny fanovana olona na rafitra raha mbola tsy miova ny toe-tsaina sy ny fomba fampiasana ny fahefana. Efa dingana tsara ny fanambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, mampiseho finiavana hiady amin’ny kolikoly sy hanatsara ny fitantanana ny raharaham-panjakana. « Tokony haseho amin’ ny asa sy ny fanapahan-kevitra raisina izany, fa tsy hijanona ho fanambarana sy kabary fotsiny ihany », hoy izy. Tokony hanome ohatra momba izany ny mpitondra. Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny RDS fa ny mpitondra, manomboka eny amin’ny faratampony, no tokony ho voalohany hanome ohatra amin’ny fahamarinana, ny fanajana ny lalàna, ny fandavana ny kolikoly ary ny tamberin’andraikitra. « Tsy ampy ny manova olona na rafitra raha mbola tsy miova ny toe-tsaina, ny fomba fitondrantena ary ny fomba fampiasana ny fahefana », hoy izy. Nasongadiny ihany koa fa tsy maintsy ampiharina amin’ny rehetra, tsy ankanavaka, ny lalàna, na iza na iza voakasik’izany. Tsy maintsy hita taratra amin’ny asa sy ny fanapahan-kevitra raisina isan’andro ny ohatra tsara avy amin’ny mpitondra, araka ny nambarany. « Afaka miverina tsikelikely ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fanjakana raha tanteraka izany ka hanamora ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny fanavaozana. Tsy ny fanovana rafitra fotsiny no antoky ny fanavaozana tena izy. Eo indrindra koa ny fanovana ny fomba fitondrana sy fampiasana ny fahefana », hoy ihany Rakoto Andrianirina Fetison.
Synèse R.





