Fanatanjahantena : Nanao fakan-kevitra ny SYNAE-MJS

Nanatanteraka dinika tetsy Mahamasina ny syndika eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (Synae-MJS), ny alarobia teo. Hamelaberana ny rafitra ara-dalàna sy ara-panjakana ho an’ny fanatanjahantena eto Mada­gasikara izany. Tanjona ny hanatsarana ny tontolon’ny fanatanjahantena sy hanampiana ny mpisehatra rehetra, indrindra fa ny minisitera, izay mpanapa-kevitra. Hanampiana amin’ny famolavolana lalàna izany ka nakana ny hevitr’ireo isan’ambaratonga mba hifanindran-dalana amin’izay karakarain’ny minisitera ny fehin-kevitra hivoaka. Maro ireo lohahevitra nodini­hina nandritra izany. Anisan’ny goavana ny amin’ny lalàna fototra 97-014, izay mbola misy ary velona hatramin’izao. Eo koa ny amin’ny fandaharam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena (PNS), ny fanarenana ny ivontoeram-piofanana ANS izay hita fa mihena hery. Ny famatsiam-bola isan-karazany, ny Tafita ary ny fahasalamana ihany koa. Ankoatra izany, misy ny hetahetan’ny syndika ny mba hijerena ny tombontsoan’ny mpiasa sy ireo any amin’ny faritra izay toa zary hadino.

Tompondaka

Partager sur: