Fanisana biolojika ny biby : ahafantarana ny toetry ny ala sy ny isan’ny biby monina eto Madagasikara

Ilaina sy manan-danja goavana eo amin’ny firenena iray ny fanisana biolojika atao amin’ireo biby sy ireo karazan-javamaniry misy eto Mada­ga­si­ka­ra. Fomba iray ahafantarana ny toetry ny ala, ny isan’ireo biby mi­aina sy monina any anaty alan-java-boahary ary ny fahasalaman’ny natiora ny antony hanaovana ny fanisana biolojika.

Maro ny antony ilaina sy hanaovana ny fanisana biolojika mahakasika ireo biby any anaty ala. Antony voalohany, “hamantarana ireo toetry ny rohivoara (eco-systeme) amin’ny fifandraisany amin’ny zavaboahary ary hahafantarana ny fahasalaman’ny natiora ihany koa izany”, hoy Rasolofoarivelo Tovonanahary, manam-pahaizana manokana momba ny gidro.
Atao isaky ny enim-bolana fara fahakeliny ny fanisana ary midina ifotony mihitsy ireo mpanao ny asa mandritra izany. Tsy maintsy misy solontena avy amin’ny fitondram-panjakana miatrika ny fanisana. Ireo mpitantana ao anatin’ ny ala kosa no manatanteraka izany raha toa ka misy. Aha­fahana mandrefy ny fahombiazana sy ny fitantanana ny ala no tanjona. Ankoatra izay, hahafahana manao fikarohana manokana ireo biby vaovao misy nefa mbola tsy fantatra ihany koa izy io.

Nahafantarana fa 100
mahery ireo varika eto
amin’ny Nosy
Ahitana karazam-biby ma­ro samihafa eto amin’ny Nosy, izay monina any anatin’ireny karazana alan-javaboahary ireny. Toy ny varika, ny vorona, ny sokatra, ny menarana, sy ny maro hafa. Vokatry ny fanisana nataon’ireo tomponandraikitra amin’izany, fantatra tamin’izany, ny isan’ireo varika misy eto amin’ny Nosy. Nambarany fa mahita karazam-biby vaovao foana isaky ny fidinana ifotony ataon’ireo mpanao fanisana ireo. Amin’ izao fotoana izao, 105 ireo karazana varika (lémuriens) hita eto Madagasikara. Voaso­kajy ho ahina ho lany tamingana kosa ny 95 %-n’izy ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mandray fanapahan-kevitra fiarovana aorian’ny fanisana
Nambarany hatrany fa man­dray fanapahan-kevitra avy hatrany aorian’ny fanisana mahakasika ny zavatra hita rehetra tany anaty ala. An­isan’izany, ny fanatsarana ny fitantanana sy ho fiarovana ny ala voajanahary ary ireo biby monina any. Arovana ihany koa ny olona miandry sy mikarakara ary mitantana ireny karazana ala voajanahary ireny. Amin’ny alalan’ny fananganana sy famoronana tetikasa fampandrosoana maro samihafa any an-toerana ho an’ireo olona ireo. Toy ny fa­natsarana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ataon’izy ireo. Tanjona ny hahatonga ireny vondron’olona ifotony ireny, tsy hamono ireo biby arovana any anaty ala ireny. Anisan’ny olana sedrain’ireo biby arovana any anaty ala ny famonoana sy fanaovana ha­za azy ireny. Biby voakasik’ izany, ny varika. Amin’ny ankapobeny, ataon’ny von­dron’olona ifotony sakafo fihinana any an-trano sy any amin’ny trano fisakafoana ireny biby arovana ireny, raha ny zava-misy. Atao ny fampitahana ny tombontsoa azo avy amin’ ireo karazam-biby azo vonoina sy tokony arovana. Ohatra, lanjaina ny varika izay novovonoin’izy ireo, manodidina ny 2 kilao latsaka izany. Lanjaina ihany koa ny bitro na akoho izay mahatratra 2 kilao sasany eo izany. Rehefa hita ny fampitahana, atao ny fa­nentanana mba hiompian’izy ireo biby fiompy toy ny bitro. Tanjona ny tsy hamonoana fahatany ireo varika sy biby hafa arovana sy monina any anaty ala, toy ny varika.

Miaro ny biby miara-miaina

Toy ny zava-mananaina rehetra, saro-pady ary mifampiankina avokoa ny biby tsirairay sy ireo biby rehetra any anaty ala. Voakasik’izany avokoa na vaventy na madinika. Tafiditra ao anatin’izany ireo karazam-biby madinika rehetra izay monina any anaty ala any. Toy ny trandraka, sokona, voalavo ala sy ny maro hafa. Zava-dehibe ny fanisana ireo biby madinika kely rehetra any anaty ala. Ahafantarana ny habetsany sy ny karazan’ireo biby kely madinika rehetra hita any anaty ala izany. Ahahafahana miaro ireo biby miara-
miaina aminy any anaty ala ihany koa ny antony hanaovana ny fanisana.

Atao rehefa fahavaratra ny fanisana
Tsara hanaovana ny fanisana ireny karazam-biby madinika ireny ny fotoanan’ny fahavaratra. Mivoaka avokoa izy rehetra mandritra ity fotoana ity ka mora kokoa ny hanatanterahana ny asa. Amin’ny ankapobeny, miafina any anaty tany ny ankamaroan’izy ireny rehefa andro ririnina. Mivoaka kosa izy ireo rehefa fotoanan’ny fahavaratra ka mora ny hahafahana misambotra azy ireo. Anisan’ny biby tia mitsoriaka ary sarotra samborina ireny karazam-biby madinika ireny. Tsy maintsy atao ny fanisana azy ireny na dia bitika sy madinika aza. Sarotra kokoa ny fanisana, fa ilana fampiasana fandrika manokana ahafahana misambotra azy ireny, raha ny fanazavana voaray hatrany. Fandrika tsy natao hamonoana ilay biby no atao fa ahafahany mivelona tsara. Asiana sakafo hohaniny ihany koa ao anatiny mandritra izany. Apetaka
amin’ny atoandro ny fandrika ary jerena rehefa maraina ny andro. Asiana marika izay biby azo ary raisina an-tsoratra avokoa ireo karazany misy rehetra.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: