Tafiditra ao anatin’ny fampiasana angovo azo havaozina ny fandrahoan-tsakafo madio. Tanjona ny tsy hiankinandoha amin’ny fampiasana kitay sy saribao be loatra intsony.
Natomboka omaly, ny famolavolana ny Politikam-pirenena hampiroboroboana ny fomba fandrahoan-tsakafo madio eto Madagasikara. Miaraka mikaondoha amin’izany ny fanjakana, ny vondrona olona eny ifotony, ny sehatra tsy miankina, ny firahamonim-pirenena ary ny mpiara-miombon’antoka samihafa voakasika.
Ilaina ny fandrafetana ity politikam-pirenena ity, satria maro ny lafiny tokony harenina. Tsy mampiasa angovo fandrahoan-tsakafo madio ny 95% ny tokantrano malagasy. Ny 35% ny Malagasy ihany ny mampiasa herinaratra izay mipetraka an-tanàn-dehibe ny 60% ary ambanivohitra ny 15,1%, raha ny antontanisa tamin’ny taona 2022. Mihazakazaka ny fandripahana ala, maherin’ny 90 000 ha isan-taona ny salanisa tato anatin’ny 10 taona farany.
Miantraika amin’ny lafin-javatra maro ny tsy fananana angovo madio, toy ny eo amin’ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny toekaren’ny isan-tokantrano. Tanjon’ny fanjakana ny hanovana ireo. Mahatonga ny fametrahana rafitra ara-dalàna hampiroboroboana ny fandrahoan-tsakafo madio, maharitra sady mahomby.
Fampiasam-bola ho an’ny angovo
Nambaran’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier, omaly, fa « mila hafainganina ny fampiasam-bola amin’ny angovo madio ho an’ny rehetra, manoloana ny fiovan’ny toetr’andro aty Afrika. Hitodika any amin’ny fomba fandrahoan-tsakafo madio, ho takatry ny isan-tokatrano isika ».
Manohana ity vinavina ity ny Fandaharanasan’ny fampandrosoana ao amin’ny Firenena mikambana (Pnud). Nilaza ny solotenany eto Madagasikara, ny Dr Edward A. Christow, fa lohahevitra telo no hifantohana mba hisian’ny fampandrosoana. Ny hisitrahan’ny rehetra ny angovo, ny fironana amin’ny fampiasana angovo azo havaozina ary ny fanamafisana ny fiatrehana ny krizy vokatry ny fahapotehin’ny tontolo iainana sy ny faharefoana.
Njaka Andriantefiarinesy