« Fanomezana lanja ny feon’ny mpampianatra mizotra amin’ny fifanarahana ara-tsosialy vaovao ho an’ny fanabeazana » no lohahevitra nentina namarika ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra sy ny mpampiofana, ny faran’ny herinandro teo.
Napetraky ny Unesco sy ny OIT ny 5 oktobra 1966 io Andro maneran-tany io, izay niompana indrindra amin’ny fanomanana ny olona handeha hampianatra. Mila fanomanana ny olona hisafidy ny hampianatra, satria iankinan’ny hoavin’ny mpianatra ny fahalalana ampitainy any an-dakilasy. “Ny zavatra tsapa amin’izao fotoana izao, malaina mirotsaka hampianatra ny tanora vita fianarana, indrindra any amin’ny ambaratonga voalohany manomboka amin’ny kilasy préscolaire hatramin’ny T5. Eo amin’io ambaratonga io anefa no tena mamolavola ny sain’ny ankizy”, hoy ny mpampianatra sady mpitondra tenin’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin.
Zavatra faharoa voaresaka nandritra ny fivoriana momba ny Andron’ny mpampianatra ny fitsinjovana ny asan’ny mpanabe amin’ny toeram-piasany sy ny fisondrotana amin’ny asa. Ireo mpampianatra eny amin’ny sekolim-panjakana ihany no misy fiakarana sokajy (catégorie sy echelon) amin’ny asa fampianarana, izay misy fiantraikany amin’ny karama. Fifanarahana arakasa fotsiny no mamatotra ny mpitantana sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana sy ny mpampianatra.
Ilaina koa ny diplaoma arakasa (CAP, CAE) ho an’ny mpampianatra, ankoatra ny mari-pahaizana akademika (BEPC, bakalorea…). Ny sekoly tsy miankina manofana ny mpanabe ao aminy araka ny filany nefa tsy mahazo manome fahazoan-dalana hampianatra ho an’ny mpiofana fa anjaran’ny fanjakana izany. Mametra-panontaniana, noho izany, ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina momba ny antony tsy hahazoan’izy ireo manome fahazoan-dalana. Entina hanatsarana ny fanabeazana ny tanjon’ny fiofanana ary samy misehatra amin’izany na ny fanjakana na ny sekoly miahy tena.
Vonjy