Agroekolojia : fiatrehana ny haintany any Atsimo

Ampiharin’ny mponina any Atsimo ny fomba fambolena agroekolojika. Tanjona ny ahafahana miatrika ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo.

Teknikam-pambolena vaovao mahazaka ny haintany ny agroekolojia. Fam­bolena amina velarantany 10 ha farafahakeliny. Manodidina ny 2 hatramin’ny 3 taona ny fa­havelomany, ka azon’ny mponina atao sakafo ny vokatra ary atao kitay ny tahony satria tsy misy hazo any amin’iny faritra iny. Miaro ny voly hafa amin’ny tso-drivotra mai­na ihany koa. Afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, tsy mila rano betsaka, nefa mamerina ny tsiron’ny tany, mitazona ny ranonorana, azo atao sakafon’ny biby fiompy, sns. Santio­nany amin’izany karazana za­vamaniry izany ny bajiry (mil), ny ampemba (sorgho), ny am­batry (pois d’angole), ny konoke.
Miisa 17 ny fikambanana tantsaha, ahitana mpikambana 410, notohanana hamokatra masomboly. Mahatratra 4 400 ha ny velarantany voavoly natao agroekolojika, tokantrano maherin’ny 4 000 any Anosy sy Androy no misitraka izany, ka 1 000 ha farafahakeliny.
Hanaparitaka ny teknika
Miisa 100 ny tantsaha nahazo fiofanana manokana, hanohy sy hanaparitaka ity teknikam-pambolena ity. Nisy trano fitahirizana kojakojam-pamokarana miisa 80 natsangana. Miisa 13 ny vondrona mpiompy, ahitana mpikambana 300 nahazo tantsoroka. Eo koa ny ivontoerana miisa 8, fandraisana ny reny sy ny zaza, tantanin’ny fikambanam-behivavy. Raha aravona, mahatratra 30 000 ny mponina voakasiky ny tetikasa.
Maro ny mpiara-miombon’antoka nanatanteraka ity fandaharanasa vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Afafi Atsimo. Mifarimbona manatanteraka izany ny Gret, ny ONG Foibe ara-teknika ny agroelokijia any Atsimo (CTAS), ny AVSF, ny Cirad, ny Fofifa, ny Cenra­deru, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: