Manana ny mampiavaka azy manoloana ny an’ny hafa ny kolontsaina malagasy. Tao anatin’ny fotoana naharitra, niezaka ny nanimba izany ny vahiny sy ireo Malagasy saribakoliny. Hanao ahoana ny mety hanjo azy ity atsy ho atsy ?
Tsy lavaka tsotra intsony fa efa hantsana lalina no ivarinan’ny kolontsaina malagasy amin’izao vanim-potoana izao. Rehefa mety ho kolontsaina, saika tratran’io tranga io avokoa. Manaraka ho azy ny zavakanto. Hivalona tsy ho ela ny taona 2022. Fotoana tsy nahitana fiovana loatra ho an’ny kolontsaina malagasy fa toa fanohizana ny efa natao teo aloha ihany. Maro ireo niantso fiverenana eny an-doharano, saingy, teny an-tany efitra no nanaovana izany. Tahaka izany ihany koa, nijanona ho endrika ivelany fotsiny sy fahazarana hatrany ny fanatanterahina ireo « hetsika » fanao isan-taona. Raha mbola mitohy ny tahaka izany, tsy hantenaina loatra ny hisian’ny fiovana ho any amin’ny tsaratsara kokoa eo amin’ny fitiavan’ny Malagasy sy ny fiainan’ny Malagasy ny kolontsainy. Mbola hibahan-toerana eto hatrany hatrany ny fivoizana sy filolohavana ny an’ny vahiny.
Sady mpaka tahaka be fahatany no mpanao rapadango
Hoy ny fahendren’ny Malagasy : ” Ny zana-dambo sosonify, ny zanaka goaika fotsy tenda, ny trambo no mihoriram-pandeha tsy haitraitra fa fanaon’ny razany ka ataony”. Tsy kolontsaina malagasy velively ny maka tahaka be fahatany ny an’ny hafa. Saingy, efa io no iainan’ny Malagasy sasany ankehitriny. Anisan’ny fositra manimba ny kolontsaina malagasy ny fanaovana rapadango sy fihinanana amam-bolony. Nanjary nihena be ilay fahaizan’ny Malagasy mandinika.
Mila vahaolana haingana ny fanarenana ireo fahavoazan’ny kolontsaina malagasy ireo. Tokana sady goavana indrindra amin’ireny ny fanabeazana. Hampahafantarina ny taranaka malagasy ny momba azy, ny hasina ananany, ny kolontsaina tokony iainany, ny fomba mila arahiny, ny fady tsy maintsy tandremany, sns. Tsy any an-tsekoly irery ihany no hanaovana izany fa any an-tokatrano sy eny anivon’ny fiarahamonina indrindra indrindra.
HaRy Razafindrakoto