Vahaolana lavitr’ezaka : toby famatsian-drano maro hatsangana

Mitotaly 100 000 m3 isan’andro ny rano hovatsian’ny toby vaovao hatsangana eny Laniera, Ambohitrimanjaka, Mandroseza ary Amoronankona. « Tsy hiverina intsony ny olana toy izao amin’ny taona 2025 », hoy ny filoha Rajoelina.

Mitentina 200 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena hamahana ny olan’ny rano fisotro eto amintsika. Ho an’Antananarivo sy ny manodidina, tsy ampy 100 000 m3/andro ny rano ilain’ny mpanjifa satria 300 000 m3/ andro, nefa 200 000 m3/andro ny vokatra. Nitatitra ny vahaolana maharitra ny filoha Rajoelina taorian’ny fihaonany tamin’ny Banky iraisam-pirenena, omaly. Hisy toby fandavahan-drano vaovao hatsangana eny Laniera, ahazoana rano 30 000 m3/andro. Efa ho vita ny antso tolobidy ho an’ny orinasa hanao azy, ka tokony ho vita amin’ny taona 2025 ny asa. Hisy toby fanatobiana sy fanadiovan-drano toa an’i Mandroseza koa haorina eny Ambohitrimanjaka, hamatsy ny tapany andrefana, toy ny eny Itaosy, Talatamaty, Ivato, Ambohidratrimo ary ampahany eto an-dRenivohitra.
Hampiana ny toby eny Mandroseza, ka hamokatra 10 000 m3/andro. Hisy toby fitahirizan-drano haorina eny Amoronankona, mahatratra 50 000 hatramin’ny 60 000 m3/andro. Raha atambatra ireo, ho tratra ny 100 000 m3/ andro, hameno ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo, ka tsy tokony hiverina intsony izany amin’ny taona 2025.

Siniben-drano 150
Mahakasika ny vahaolana maika eto an-dRenivohitra, miisa 150 ny siniben-drano (bonbonnes) miaty 10 000 m3 tsirairay, hapetraka eny amin’ny toerana mijaly rano. Miisa 10 ny fiarabe manokana miantoka ny famenoana azy ireo, ary hisy 4 vaovao avy amin’ny Banky iraisam-pirenena efa tonga ao Toamasina, ary hiakatra aty an-dRenivohitra amin’ny talata 15 oktobra izao.
Tafiditra ao anatin’ny tohana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena koa ny hanatsarana ny famatsian-drano any amin’ny tanàn-dehibe hafa, toa an’Antsiranana, Mahajanga, Antsirabe, Fianarantsoa, Ma­na­njary ary Manakara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: