Fitsinjaram-pahefana

Nahoraka sy naresaka ny teny Avaradrano, omaly. Nahazo biraon’ny tribonaly sy fonja manara-penitra ny ao an-tanàna. Henin-kaja, henim-boninahitra, ny zanaky ny distrika fa nahavita nanetsika filohan’ny Repoblika. Ambohi-pihaonan’ny mpanao politika, na tsy mitovy firehana, ny teny an-toerana. Nobaikoin’ny fitiavana ny tanàna nipoirana.
Manoloana izany, hita taratra ny fanatanterahana ilay fanapariaham-pahefana tena izy. Ilay fanjakana sy ny rantsa-mangaikany, manakaiky vahoaka. Zava-dehibe ho an’ny mpampiasa ny raharaham-panjakana ny fisian’ny rafitra eny anivon’ny fiarahamonina misy azy. Olana goavana, mahatonga ny kolikoly sy ny fanaovana tsindrihazolena matetika ny fahalaviran’ny biraom-panjakana. Asa! Hanao ahoana ny fiovana vokatr’itony fitsarana manakaiky vahoaka itony?
Tsara ny ezaka, saingy misy foana ny indrokely tsy maintsy hahontsana. Mivangongo aty an-drenivohitra sy ny manodidina ny ankamaroan’ny zava-drehetra. Mbola manjaka hatrany ny fanaovana tany lavitrandriana. Adinodino ireo any ambany ravinkazo sy izay tena marary mila fitsaboana maika. Sasa-miandry ny lokalokan’ny manampahefana fa tsy misy kaominina na distrika ho adino intsony ilay Malagasy.
Marina fa tsy ho vita indray mandeha avokoa ny zava-drehetra fa tsy maintsy mandeha tsikelikely. Misy anefa ny toerana sy ny sehatra tsy tokony hisy andraso andraso. Misy ny hamehana sy tokony hatao ho vaindohan-draharaha. Tsy afaka ny handeha ila ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Raha mbola misy ny mizana tsindrin’ila dia mitsingevaeva ny vokatra azo avy amin’ny ezaka atao.
Nosy iray, mponina iray, i Madagasikara, tsy tokony hitsingilaila ny politikam-pampandrosoana. Mendrika ny hisitraka izany lenta ny olom-pirenena rehetra na aiza na aiza.

r.r

Partager sur: