Ny sazy famaizana, ny fepetra hanamafisana ny fahitsiana amin’ny fandraisana mpiasa, ny fivezivezena, ny fisondrotana amin’ny asa… Anisan’ny fepetra hanamafisana ny fahitsian’ny mpiasam-panjakana ireo. Nisongadina izany tamin’ny fanohizana ny fakan-kevitra isan-dohahevitra tarihin’ny Komity mpamolavola ny paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) teny amin’ny Bianco Ambohibao, ny faran’ny herinandro teo. Manan-danja amin’ny fahombiazan’ny ady ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny fahitsian’ny mpiasam-panjakana. Heverina fa ny kolikoly no anton’ny tsy fahombiazan’ny fanavaozana efa natomboka sy ny tsy fampandehanana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Koa tena ilaina ny kolontsain’ny fahitsiana.
Tsiahivina fa tamin’ny fivoriana manokan’ny fivoriamben’ny ONU momba ny kolikoly, jona 2021, no nankatoavan’i Madagasikara ny fanambarana politika nolaniana tamin’izany. Manolo-tena amin’ny fampiroboroboana ny kolontsain’ny fandraisana andraikitra, ny mangarahara, ny ara-dalàna sy ny fahitsiana ary ny fitoviana lenta eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana, araka ny And. 6. Ao anatin’izany ny fampiharana ny fepetra sy fitsipika iadiana amin’ny kolikoly, ny fitsipi-pitondran-tena ary ny tandrohasin’ny mpiasam-panjakana. Eo koa ny hoe hanohy hiantoka ny fanatsarana ho amin’ny maha matihanina ny tomponandraiki-panjakana, hahazoan’izy ireo manatanteraka ny asany amin’ny fomba marina sy mendrika ary mifanaraka amin’ny tokony ho izy, araka ny And. 67.
R. Nd