Mamarana ny dingana faharoa amin’ny famolavolana ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly ny tomponandraikitra. Nanamarika izany ny fihaonana tamin’ireo depiote teny Tsimbazaza, omaly.
Anisan’ny nitarika izany, nanoloana ireo solombavambahoaka, ny filohan’ny Komitin’ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, sady anisan’ny mpitarika ny komity ho an’ny famolavolana ny paikady. Nivoitra, tamin’izany, ny volavolana tolo-kevitra sy ny laharam-pahamehana ary ny vokatra andrasana, miainga amin’ireo lohahevitra lehibe. Anisan’izany ny fanamafisana ny fisorohana ny kolikoly eny anivon’ny minisitera sy ny asam-panjakana. Fanamafisana ny fahitsian’ny mpiasam-panjakana. Hamafisina koa ny ady amin’ny kolikoly sy ny fiarovana ny zon’olombelona ary ny fifandraisan’izany amin’ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra 2030. Iadiana koa ny kolikoly eo amin’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Hojerena ny anjara asan’ireo tsy miankina amin’ ny ady amin’ny kolikoly. Fanamafisana ny fangaraharana, ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra.
Ady amin’ny kolikoly amin’ ny fananantany
Tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny fananantany. Manampy izany ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny fiarovana sy ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena: biby arovana sy hazo sarobidy ary ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina sy an-kibon’ny tany.
Etsy andaniny, nanao tatitra ny tombana sy ny jery todika ho an’ny taona 2015 – 2025 koa ity kaomity ity. Hiditra amin’ny dingana fahatelo sady farany amin’ny fanoratana sy ny fandrafetana ny paikady sy ny drafitra fanatanterahana ary ny fanaraha-maso izany izy ireo.
Tsiahivina fa anisan’ny nakana hevitra ny minisitera isan-tsokajiny, ny mpisehatra marolafy, hatrany amin’ny renivohi-paritany.
Synèse R.