« Tano ny anao fa ny an’ny hafa tsy omeny ary tsarovy fa Malagasy anie ianao » ! Io no antom-pisian’ny tarika Gasy mi… Mitafy fahavononana hanandratra hatrany ny hira sy soatoavina malagasy.
«Ny « mi… » azo halavaina amin’ny hoe : miangaly, milay (tsara), mankafy ny raitra sy ny kanto, sns », hoy i Angelo, iray amin’ireo angady nananana sy vy nahitana ny tarika Gasy mi… Nohamafisiny fa « tsy sasatra ny manandratra avo ny kanto an-kira sy dihy nentin-drazana malagasy izay samy mirakitra soatoavina sarobidy ho antoky ny fampandrosoana ny tarika Gasy mi…».
Tsy voafetra hatreo amin’ ny fivoizana ny vakodrazana, sôva ary ireo gadon-kira nentin-drazana avy any amin’ny faritra ry Gasy mi fa milofo amin’ny fikarohana ny fomba kanto hampiarahan-dalana ny gadona malagasy amin’ny gadona hafa. Anisan’ireny, ohatra, ny sôva sy ny « afrô ». « Ny hanamorana ny fomba hampitiavana ireo taranaka ny mozika nentim-paharazana malagasy no anisan’ny antony hanaovana izany », hoy hatrany i Angelo. Mikaroka ny fomba ahafahana misintona ireo tanora hankafy ny « mozikan’ny taniny » ihany koa ny tarika Gasy mi…
Manohy hatrany ny fikarohana
Anisan’ny voka-pikarohana hoentin’ny tarika Gasy mi… eny an-tsehatra ny fampiainana ny tononkira amin’ny alalan’ny fihetsika laroina hatsikana amin’ny endrika tantara fohy nefa feno anatra mafonja sahaza ny rehetra. Mampiasa ireo zavamaneno vita malagasy tahaka ny tsikadraha, korintsana, ambio, langoraona, sns, izy ireo. Miezaka mampifanaraka ny soradihy sy ny fianjaika eny an-tsehatra mba hanamorana ny fampitana ireo hafatra anatin’ny tononkirany.
« Chérie malala! », rindrantsary (clip) hita eny anivon’ireo haino aman-jery maro eto Analamanga. Ity vazo ity izay nentin’ny Gasy mi… naneho fa mahafehy gadon-kira hafa ankoatry ny nentim-paharazana izy ireo. Tsy mifidy sokajin-taona ny fankafizana ireo kanto an-kira sy dihy voiziny. Voarakitra anatin’ny rindrantsarin’ny tarika ihany koa ireo vakoka hita maso mampiavaka an’i Madagasikara.
Nangonin’i HaRy Razafindrakoto