Filoha Rajoelina Andry: “Tsy miankina amintsika irery ny olan’ny Jirama”

Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, fa miara-mientana ny minisitera rehetra, hamahana ny olan’ny Jirama. “Tsy miankina amintsika samy irery anefa izany”, hoy izy.

Manoloana ny olana goavana sedrain’ny Malagasy, nitafa tamin’ny haino aman-jery ny Filo­han’ny Repoblika, halina. Ta­min’izany no nanamafisany fa tsy mitsahatra ny mitady va­haolana ny fitondram-panjakana. « Efa misy ny vahaolana, miara-mientana ny go­vernemanta”, hoy izy. Samy nampihena ny teti-bolany ny minisitera isanisany mba ha­hafahana manavotra ny Jira­ma. “Ny minisiteran’ny Fampi­anarana no nakana ampahany kely indrindra”, hoy izy. Notateriny fa mizara telo miavaka tsara ny vahaolana: ny hamehana, ny fohy ezaka, ary ny lavitra ezaka.
Miantso ny fiaraha-mientan’ny vahoaka malagasy koa ny Filohan’ny Repoblika, amin’ny fiatrehana ny olana ampitoniana. “Efa mitady vahaolana ny fitondram-panjakana kanefa tsy miankina amintsika samy irery ny olana mianjady, ankehitriny. Olana maneran-tany ny momba ny haintany sy ny faharitran’ny loharano. Miteraka ny fihenan’ny famokarana herinaratra izany ka mahatonga ny delestazy”, hoy hatrany izy.

Teti-bola goavana

Tsy miraviravy tanana ny fitondram-panjakana malagasy manoloana ny krizy, araka ny filazan’ny Filohan’ny Repoblika. Nanome toky ny tenany fa miara-mitady vahaolana tsy tapaka amin’ny tomponandraikitra. Efa nisy ny vahaolana nampiharina avy hatrany ka nahafahana nampihena ny fahatapahan-jiro tato ho ato.
Nomarihiny kosa fa mbola goavana ny fanamby amin’ny fanafoanana ny delestazy. Mila vola ny fanjakana. Tafa­katra 9 hatramin’ny 14 lavitrisa Ariary isam-bolana no ilaina ahafahana manatratra ny tanjona.

4 000 000 ny mpanjifa

Hodidina maro no tsy maintsy jerena raha hamaha ny olan’ny delestazy eto Ma­da­gasikara. Ankoatra ny fitantanana, olana ny fahanteran’ny fotodrafitrasa sy ny tsy fa­hampiana manoloana ny filan’ ny mponina. Nambaran’ny filoha, Rajoelina Andry, fa efa tafakatra 4 000 000 ny olona mampiasa ny angovo vokarina ankehitriny, raha tokony ho 7 500 izany.
Ahafahana miatrika sy ma­maha ny olana, misy ny fandatsahana orana tsy voajanahary, ny fametrahana toby fa­mokarana angovo azo ha­vao­zina, ny fananganana tetikasa, toy ny eny Faralaza sy Ambohitrimanjaka, Vonto­vo­rona, Amoronakona, Anka­di­voribe. Mifanindran-dalana amin’ireo ny fananganana tohodrano mpamokatra herinaratra ao Ranomafana sy Volobe ary Sahofika. Hamaly ny filana amin’ny jiro sy rano avokoa ireo tetikasa ireo.

Lin

Partager sur: